IV. Ny sakramentam-pamonjena

Laharana 1129 amin’ny Katesizy

Milaza marina ny Fiangonana fa ny sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, ho an’ny mpino, dia ilaina amin’ny famonjena[43]. Ny “fahasoavana ara-tsakramenta” dia ny fahasoavan’ny Fanahy Masina omen’i Kristy sy araka ny hasina manokana ananan’ny sakramenta tsirairay. Ny Fanahy no manasitrana sy manova ireo izay mandray ny sakramenta amin’ny fampitoviana azy ireo amin’ny Zanak’ Andriamanitra. Ny vokatry ny fiainana ara-tsakramenta dia ny fanandratan’ny Fanahim-pananganan-janaka ny mpino ho Andriamanitra[44]amin’ny fampiraisan’aina azy ireo amin’ny Zanaka Lahitokana, ilay Mpamonjy.

Loharano ôfisialy ↗