Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro ny misterin’i Kristy

Laharana 1103 amin’ny Katesizy

Ny “Anaminezy”. Miankina lalandava amin’ny firotsaham-pamonjen’ Andriamanitra eo amin’ny tantara ny fankalazana litorzika. “Atao amin’ny alalan’ny asa sy ny teny, mifamatotra lalina amin’izy samy izy, ny fitantanam-panambaràna (…). Ny teny no manambara ny tsanganasa sy manala sarona ny mistery izay raketiny ao amin’izany”[16]. Amin’ny litorzian’ ny Teny ny Fanahy Masina no “mampahatsiaro” ny mpiangona amin’izay rehetra nataon’i Kristy ho antsika. Araka ny toetran’ny asa litorzika sy ny lovam-panahy amin’ny fombam-pivavahan’ny Fiangonana, ny fankalazana no “mampahatsiaro” ao amin’ny Anaminezy somary novelabelarina, ireo zava-mahagaga nataon’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina, izay mamoha-foha tahaka izany ny fahatsiarovan’ny Fiangonana, no mahatonga amin’ izay ny fisaorana sy ny fiderana (Tenim-boninahitra; Doxologie).

Loharano ôfisialy ↗