… nanomboka tamin’ny Fiangonan’ny apôstôly …

Laharana 1087 amin’ny Katesizy

Araka izany, i Kristy nitsangan-ko velona, tamin’ny nanomezany ny Fanahy Masina ny apôstôly, dia nanankina tamin’izy ireo ny fahefam-panamasinany[3] : manjary famantarana ara-tsakramentan’i Kristy izy ireo. Tamin’ny alalan’ny herin’io Fanahy Masina io ihany, nankinin’izy ireo tamin’ny dimbiny io fahefana io. Izany “fifandimbiasana maha-apôstôly” izany no mandrafitra ny fiainana litorzika manontolo iainan’ny Fiangonana; ara-tsakramenta rahateo izany, ampitaina amin’ny alalan’ny sakramentan’ ny Filaharana.

Loharano ôfisialy ↗