“ AMEN ”

Laharana 1065 amin’ny Katesizy

Ny Tenan’i Jesoa-Kristy mihitsy no “ilay Amen” (Apôk 3,14). Izy no “Amen” tsy miovan’ny fitiavan’ny Ray antsika ; Izy no mizaka ao Aminy sy manatomombana ny “Amen’ ” antsika amin’ny Ray :  “Ny fampanantenana rehetra avy amin’Andriamanitra, araka izany, dia ny "eny" azy ireo tao Aminy ; ka moa tsy amin’ny Alalany rahateo no ilazantsika ny "Amen" antsika amin’ny Voninahitr’Andriamanitra !” (2 Kôr 1,20) :

Amin’ny alalany sy miaraka Aminy ary ao Aminy,
ry Andriamanitra Ray Mahefa ny zavatra rehetra,
dia Anao avokoa, ao amin’ny Fanahy Masina,
ny haja amam-boninahitra,
amin’ny taona rehetra mandrakizay.
AMEN[113].

* * * * * * * * * *

Loharano ôfisialy ↗