VI. Ny fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao
Laharana 1049 amin’ny Katesizy
“Kanefa ny fiandrasana ny tany vaovao, tsy tokony hahaketraka antsika velively ny amin’ny fiahiana hanajary ity tany ity, fa vao mainka aza tokony hanaitaitra izany : ao no itomboan’ny vondrom-pianakavian’olombelona vaovao, izay manolotra sahady ny soritsoritra sasantsasany ny taonjato ho avy. Noho izany, raha tsy maintsy havahana amim-pitandremana ny fandrosoam-pitomboan’ny fanjakan’i Kristy eto an-tany, dia manan-danja lehibe ho an’ny fanjakan’Andriamanitra io fandrosoana io, raha toa izany ka afaka hanampy amin’ny fandrindrana tsaratsara kokoa ny fianakaviamben’ ny olombelona”[101].