Ny fahafatesana
Laharana 1008 amin’ny Katesizy
Vokatry ny fahotana ny fahafatesana. Amin’ny maha-mpivaofy marina ny voalazan’ny Soratra Masina[40] sy ny Lovam-pampianarana ny Toniam-pampianaran’ ny Fiangonana, dia mampianatra izy fa tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny fahafatesana noho ny fahotan’ny olombelona[41]. Na dia manana toetra mety maty aza ny olombelona, Andriamanitra kosa nandahatra azy tsy ho faty. Koa noho izany, ny fahafatesana dia mifanohitra amin’ny fandaharan’Andriamanitra Mpahary, fa noho izy vokatry ny fahotana no nidirany teto amin’izao tontolo izao[42]. “Ny fahafatesan’ny vatana, izay tsy tokony nihatra tamin’ny olombelona raha tsy nanota izy”[43], araka izany, no “fahavalo faran’ ” ny olombelona tsy maintsy resena (1 Kôr 15,26).