II. Maty ao amin’i Kristy Jesoa
Laharana 1005 amin’ny Katesizy
Mba hitsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy, tsy maintsy maty miaraka amin’i Kristy, tsy maintsy “miala amin’ity vatana ity, mba handeha hitoetra eo akaikin’ny Tompo” (2 Kôr 5,8). Ao amin’io fialana[35] io, izay tsy inona fa ny fahafatesana, dia misaraka amin’ny vatana ny fanahy. Hakambana indray amin’ny vatany izy amin’ny andron’ny fitsanganan’ny maty ho velona[36].