Mitsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy

Laharana 1003 amin’ny Katesizy

Ny mpino, nampiraisina tamin’i Kristy tamin’ny Batemy, dia efa mandray anjara marina amin’ny fiainana any an-danitra misy an’i Kristy nitsangan-ko velona[34], kanefa io fiainana io dia mijanona ho “miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’ Andriamanitra” (Kôl 3,3). “Miaraka Aminy, natsangany ho velona sy napetrany any an-danitra, ao amin’i Kristy Jesoa, isika” (Efez 2,6). Mivelona amin’ny Vatany amin’ny Eokaristia isika, ka efa anisan’ny ao amin’ny Vatan’i Kristy sahady. Rahefa hatsangan-ko velona isika amin’ny farandro dia “haseho miaraka Aminy henim- boninahitra” koa (Kôl 3,4).

Loharano ôfisialy ↗